A LA UNE

Mitohy hatrany ny fanentanana ho amin’ny vina « Tahirimbolam-panjakana lavitry ny kolikoly”

Mitohy hatrany ny fanentanana ho amin’ny vina « Tahirimbolam-panjakana lavitry ny kolikoly”

 

Ny 04 Jolay lasa teo dia anjaran'ireo “points focaux” an’ny « Structure Technique Anti-corruption » (STAC), avy amin’ireo ratsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy, no nisitraka izany tao amin’ny Plan Anosy. Ramatoa RANDRIANIRINA Hanitra, Directeur des Etudes, no nisolo tena ny Tahirimbolam-panjakana foibe nitarika ny atrik’asa.

Nampahafantatra ny politika anatiny momba ny ady amin’ny kolikoly (PILCC) Andriamatoa RANOELIMANANA  Ndimby, Chef de service de la lutte contre la corruption  ao amin’ny Direction de l’Audit Interne MEF. Andriamatoa ANDRIANANTENAINA Mamy Thierry, Chef STAC an’ny Tahirimbolam-panjakana Foibe, kosa dia namelabelatra ireo dingana sy drafitra hoentina hampandehanana antsakany sy andavany ny PILCC. Novoaboasana tamin’izany ny fomba fanabeazana sy fitaizana, ny fisorohana ny kolikoly ary ny volavola-kevitra momba ny "Code de conduite des agents” mifanaraka amin’ireo tari-dalana anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ho ampiharin’ny rehetra.

Ny tanjona moa dia famindrana ny fahaiza-manao amin’ireo “points focaux”, izay ho ambasadaoro hampita izany any amin’ny toerana misy azy tsirairay avy.

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public