A LA UNE

Tolotanana jona 2021: Tahirimbolam-panjakana mitsinjo ireo marefo

Tolotanana jona 2021: Tahirimbolam-panjakana mitsinjo ireo marefo

 

Anjarabiriky “kely nefa vokatry ny fo” no nentin’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana no zaraina am-pitiavana tamin’ireo voasokajy ho marefo nandritra ny Hetsika tolotanana tamin’ity volana jona ankatoky ny asaramanitra ity. Ny hetsika tolo-tanana izay tarihin’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panajakana Ihaja RANJALAHY mivady sy ireo tale ary mpitantana isan-tsokajiny eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana, dia notontosaina ny 23 jona 2021.

Ivon-toerana dimy no nisitraka izany dia ny “Foyer de vie”Andrainarivo izay fikambanana miahy ireo zokiolona; ny “Famille des orphelins du Trésor” izay ahitana ireo kamboty navelan’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana; ny “Association MIARO NY AINA” fikambanana miahy ara-pahasalamana ireo olona sahirana eo amin’ny lafiny fitsaboana eny amin’ny manodidina an’Anosibe Andrefana; “ny maison de la Charité” Ambanidia izay miahy ankizy kamboty, manana fahasembanana sy zokiolona; ary ny “Compassion de Madagascar” eny amin’ny hopitaly Joseph RasetaBefelatanana izay fikambanana mikarakara sy manohana ara-tsakafo zaza miisa 70  izay tsaboina ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana ny ankizy (Pédiatrie) ao amin’io hopitaly io.

Nosokajiana araka ny filàn’ireo fikambanana ny fanomezana natolotra, toy ny kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro (vary, voamaina, savony, menaka, sira, siramamy, kafe, ny ronono hoan’ny lehibe sy ny ankizy,  ny farilac hoan’ny zazakely) ny kahie hoan’ny mpianatra, ny“gel désinfectant”, ary ny fanafody isan-karazany izay fampiasa amin’ireo karazana aretina mateti-pahazo ny olona,  indrindra amin’izao vanim-potoana izao.  Faly tokoa ireo izay nisitraka ny tolotra ary nanamafy ny mahazava-dehibe ny fanohanana azy ireo toy izao. Ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay nitondra tenin’ny Tale  jeneraly kosa tetsy ankilan’izay dia samy nanamafy fa anjarabiriky avy amin’ny mpiara-miasa tsirairay izao natao izao. Anjara biriky izay entina mba ho fitsinjovana ireo mpiara-belona izay voasokajy ho marefo na ara-pahasalamana na ara-pivelomana; ary efa nanomboka ny taona 2013 no nanatanterahana izany. Teny anivon’ireo ivon-toerana miahy manokana ny ankizy teny amin’ny “Compassion de Madagascar kosa, Andriamatoa Rakotosalama Tojohasina, tale mpisolo toerana misahana ny fandraharahana ara-bola, izay nisolotena ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana noho ny andraikitra izay nahavoatana azy, dia nanamafy fa volana natokana ho an’ny ankizy ny volana jona. Noho izany dia mahatsapa ho manana adidy amin’izy ireo ny Tahirimbolam-panjakana.

Amin’ny volana desambra indray ny fifanomezam-potoana amin’ny hetsika tolotanana manaraka. Ankoatran’ny teto Antananarivo dia handray anjara amin’ny fanatanterahana Tolo-tanana toy izao ihany koa ireo mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana any amin’ny faritra Fenoarivo Atsinanana sy Ambositra amin’ity taona ity. Ny Tale jeneraly sy ireo mpitantana isan-tsokajiny, ny mpiara-miasa manontolo eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana dia mirary fetin’ny Asaramanitra mahafinaritra sahady hoan’ny Malagasy rehetra isam-baravarana.

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public