A LA UNE

Tolotanana Desambra 2020: Mizara fifaliana ho an’ny hafa

Tolotanana Desambra 2020: Mizara fifaliana ho an’ny hafa

 

Nahatsiaro manokana ireo voasokajy ho marefo indray ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana eto Antananarivo sy ny manodidina ny 23 Desambra 2020. Izany no anjara birikin’ny mpiara-miasa mba hahafahan’ireo sokajin’olona ireo hiatrika am-pifaliana ny fetin’ny noely sy ny taona vaovao. Fanomezana izay tafiditra anatin’ny “tolo-tanana”ary efa zary lasa soatoavin’ny fianakaviamben’ny tahirimbolam-panjakana hatramin’ny niandohan’ity hetsika ity ny taona 2013. Ny “Maison de la charité” Tongarivo izay mitaiza olona misy fahasembanana dia nisitraka vary, tsaramaso, tsiasisa, siramamy, sira sy menaka ary savony sy lamba. Ny “Centre Felana Maitso” Morondava Antehiroka, mitaiza ankizy, kosa dia nahazo vary, tsaramaso, tsiasisa, katsaka, siramamy, menaka, savony, sira, ronono mandry, kilalao sy vatomamy ary biscuits. Ny « Association des handicapes APHFI Fiorenantsoa » kosa dia notolorana milina fanjairana roa ary ny « famille des orphelins du trésor » nomena lelavola roa hetsy Ariary isaky ny fianakaviana. Tsiahivina hatrany fa vokatrin'ny tsipaipaika nataon'ny mpiara-miasa no nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity. Raha ho an’ireo « famille des orphelins du trésor » manokana dia nanome toky azy ireo ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ihaja Ranjalahy, tamin’ny fandraisam-pitenenany fa tsy manadino azy ireo ny fianakaviamben’ny tahirimbolam-panjakana ary misokatra amin’izy ireo raha misy ny azo ifanohanana sy ifanampiana. Manoloana ny fahatanterahan’ny hetsika tolotanana androany dia nankasitraka ny fianakaviamben’ny tahirimbolam-panjakana manontolo ny tenany ary nampirisika ny mpiara-miasa mba tsy hanadino ireny marefo ireny fa hanohy hatrany ny hetsika toy izao. Ireo izay nisitraka ny hetsika kosa etsy ankilan’izay dia samy naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany ny tahirimbolam-panjakana. Fotoana iray hoan’ny roa tonta ihany koa ny androany nifampirariana soa amin’izao asaramanitra izao.

Tsiahivina fa anisan’ny nanatanteraka hetsika tolo-tanana tamin’ity volana desambra ity ihany koa ny mpiara-miasa avy amin’ny Trésorerie Générale Ambositra ny 18 desambra 2020. Ny Akany « VAVAKA MIASA » izay mitaiza zaza kamboty miisa 18 no nosafidian’izy ireo nanolorana fanomezana ka vary, katsaka, voamaina, siramamy, menaka, paty, ronono amin’ny boaty, savony, koveta ary siny na“seau” no natolotra azy ireo. Namita izany adidy amin’ireo marefo izany ihany koa ny tao amin’ny Trésorerie Générale Fianarantsoa sy ireo « Perceptions Principales » Ambalavao sy Ikalamavony ary Ambohimahasoa ny 8 desambra 2020. Toerana roa no nanatontosana izany. Ny voalohany dia ny « Hospice-Orphelinat » ao Antanifotsy sy ny Akany « Tranon’ny fitiavana » Ambatomena.

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public