A LA UNE

Fizarana « Pension » Aprily

Fizarana « Pension » Aprily

 

Nametraka lamina manokana ny Tahirimbolam-panjakana

Sarobidy ny fahasalamana. Noho ny fisian’ny valanaretina « Coronavirus » eto amin’ny firenena sy ho fitsinjovana ny fahasalaman’ireo Zokiolona dia nametraka lamina manokana ny Tahirimbolam-panjakana malagasy amin’ny fizarana « Pension » amin’ity volana Aprily ity. Io lamina io dia manan-kery any amin’ny ratsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana rehetra ato amin’ireo Faritra Analamanga sy Atsinanana ary Haute Matsiatra izany hoe eny amin’ny ny Paierie Générale d’Antananarivo ( PGA), ny Recette Générale d’Antananarivo ( RGA), ny Trésorerie Ministérielle chargée de la Fonction Publique ( TMINFOP), ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA ), ireo Trésoreries Principales Intercommunale ( TPIC Ivato sy Bongatsara),ireo Trésoreries Générales ary ireo Perceptions Principales ao amin’ireo faritra ireo.

Raha fintininana dia miankina amin’ny laharana faran’ny « pension » ny daty izay handraisana izany. Ho an’ireo mpandray « pension veuvage » na mananontena manana laharana miatomboka amin’ny « 1A- 2A-9A » ao amin’ny Recette Générale d’Antananarivo kosa dia eny amin’ny Paierie Générale Annexe Isoraka izy ireo no handray ny fisotroandrononony amin’ity volana Aprily ity. Ho an’ireo mpandray fisotroan-dronono ao Antsimondrano ihany koa dia eny amin’ny Plan Anosy no hizarana ny « pension » hatramin’io 28 Aprily io. Aorian’izay dia miverina eny Tsaralalàna ny fizarana. Ireo sokajy roa ireo ihany izany no misy fiovana ny toerana. Ny ankoatr’izay dia any amin’ny toerana mahazatra azy ihany no mandray. Marihina fa io lamina io dia manan-kery ny zoma 17 Aprily izay andro voalohan’ny fizarana ka hatramin’ny talata 28 Aprily. Izany akory tsy midika fa tsy mizara « pension » intsony ny Tahirimbolam-panjakana afaran’ny 29 Aprily fa mitohy toy ny mahazatra fotsiny ihany.

Manoloana ny olana ara-pitantera izay mety hosedrain’ireo Zokiolona dia nitondra vahaolana izay mifanaraka amin’ny fahafahany sy ny fahefany ihany koa ny Tahirimbolam-panjakana malagasy. Ny voalohany amin’izany dia ny famelana ireo Zokiolona handray ny « Pension » eny amin’ny Tahirimbolam-panjakana izay akaiky azy ireo indrindra izany hoe mety ho eny amin’ny « Perceptions Principales » izany na eny amin’ny « Trésoreries Générales » na eny amin’ny « Trésoreries Principales ». Mila manao fangatahana any amin’ilay biraon’ny Tahirimbolam-panjakana akaiky anefa izy ireo raha te hisitraka izany ary mamela ny laharana an-tarobia ahazoana azy mba ahafahana mampandre azy rehefa tonga ilay « Pension ».

Ho an’ireo izay mandray ny « Pension »-ny any amin’ny Banky kosa dia afaka aterina eny amin’ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana izay akaiky azy ireo indrindra ny « certificat de vie ». Tsy voatery ho ilay Zokiolona mivantana no manatitra an’ilay izy fa afaka olon-kafa ihany koa. Ity farany izay mila mitondra ny « carte pensionnée originale» an’ilay Zokiolona. Nanao « Application » manokana ho an’izany ny Trésor Public mba ahafahan’ireo izay anaterana ny « certificat de vie » mandefa izany any amin’ny « Paierie Générale d’Antananarivo ». Marihina fa 48 ora ny faharetan’ny « certificat de vie ».

Raha tsiahivina dia tsy vaovao ny resaka « virement bancaire » na pension fa efa tolotra efa nisy hatry ny ela natao ho an’ireo izay liana ny amin’izany. Ny « Trésor public » rahateo dia efa miara- miasa amin’ireo Banky mba hisian’ny fanamorana ny fanokafan’ireo zokiolona kaonty. Efa ela ihany koa ny Tahirimbolam-panjakana no nanomboka nanakaiky ireo mpisitraka tamin’ny alalan’ny « service de proximité ». Raha Analamanga fotsiny izao ohatra dia misy Perceptions Principales enina amby folo mbola miampy ny PGA, ny RGA, ny TMA, ny TminFOP ary ireo TPiC izay ahafahana mandray ny fisotroan-dronono avokoa. Ary farany dia azon’ireo Zokiolona atao ihany koa ny manome « procuration » olon-kafa haka ilay « pension » raha misy tsy fahafahana. Any amin’ny Tribonaly izy ireny no alaina ary isan’ny ireo sampandraharam-panjakana misokatra ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’izao tranga misy eto amin’ny firenena izao.

affiche_pension

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public