A LA UNE

Famindrana ny fizarana Pension : PP Atsimondrano eny amin’ny Plan Anosy

Famindrana ny fizarana Pension : PP Atsimondrano eny amin’ny Plan Anosy

 

Ho tohin’ny fidinan’Andriamatoa Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana tany amin’ny Perception Principale Atsimondrano, dia nanome toky izy ireo fa hitady vahaolana hanatsarana ny fandraisan'ireo zokiolona fisondroan-dronono. Koa noho izany dia hifindra eny amin’ny Plan Anosy ny fandoavana pension an’izy ireo ny andro voalohany sy faharoa manomboka ny alatsinainy 18 novambra ho avy izao. Ny andro fahatelo kosa dia hiverina eny Tsaralalàna ihany.

Koa iangaviana isika ampilaza ireo namana sy havana voakasik’izany ho fiaraha-miasa.

pension_pp

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public