A LA UNE

Ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy mizara ho an’ny hafa

Ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy mizara ho an’ny hafa

 

Tsiky sy haravoana hatrany no hita nisoritra teny amin’ny endrik’ireo ankizy sy zokiolona nisitraka ny « Tolotanana » avy amin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ny zoma 21 jona 2019. Ny « Tolotanana » izay hetsika fanaon’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana isaky ny volana jona sy ny volana desambra hifampizarana hafaliana amin’izy ireo nohon’ny fetin’ny asaramanitra sy ny fetin’ny noely. Tamin’ity volana jona ity dia ireo ankizy kamboty avy ao amin’ny Centre Fihavanana Mahamasina miisa 146 sy ireo ankizy beazina ao amin’ny Centre Akany Fialofana Tangaina miisa 27, ary ireo zokiolona avy ao amin’ny Foyer de vie Andrainarivo miisa 64 sy ireo zokiolona mivondrona anatin’ny fikambanana Fizomita Ambohitrakely miisa 122 no nisitraka ny tolotra rehetra.

Ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Herivelo Andriamanga, sy ireo Tale ary ireo lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny no nitarika ny hetsika izay niatomboka tao amin’ny Centre Fihavanana Mahamasina, nitohy teny Andrainarivo ary nifarana teny Ambohitrakely. Nohamafisin’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana nandritra ny lahateny nataony tamin’ireo toerana samihafa ireo fa tsy volam-panjakana akory no ampiasaina amin’izao hetsika tolotanana fanao izao fa vola vokatry ny fitiavana, natolotry ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana.

Nahangonana vola manodidina ny 9 tapitrisa Ariary ny mpiara-miasa tamin’ity volana jona ity ka nividianana kojakoja ilain’ireo ankizy sy zokiolona amin’ny fiainany andavan’andro izany. Nisy ihany koa ireo nahazo fitaovana ilaina amin’ny fikarakarana sakafo sy ny fitafiana mafana. Amin’ny maha-fetin’ny ankizy ny volana jona anefa dia tsy nohadinoina ny arendrina sy ny vatomamy hoazy ireo. Ny solotenan’ny tompon’andraikitra avy amin’ireo ivotoerana samihafa nahazo tolotanana etsy ankilan’izay dia tsy nitsahatra nankasitraka izay nomena azy ireo ary samy nilaza fa tena ilainy ary nifanandrify amin’ny filany avokoa ny fanomezana noraisiny.

Ny lisitry ny entana novidiana :

  • Vary: 47 gony
  • Tsaramaso: 3 gony
  • Tsiasisa: 9 gony
  • Siramamy: 4 gony
  • Sira: 200 isa
  • Vovon-tsavony: 3 baoritra amin’ny 150 isa
  • Savony “barre”: 3 baoritra amin’ny 16 isa
  • Kafe: 1 baoritra amin’ny 100 isa
  • Katsaka: 1 gony
  • Voanjo: 1 gony
  • Macaroni: 5 isa amin’ny 5 kilao
  • Kahie: 100 pejy (20 fonosana amin’ny 10)
  • Kahie: 200 pejy (5 fonosana amin’ny 10)
  • Vilany: 18 isa
  • Vilia fihinana lasopy: 64 isa
  • Menaka: 35 liatra miampy 2 “bidons”
  • Kaopy na “gobelet”: 2 isa
  • Sotro fikarakarana sakafo: 2 isa
  • Barikan-drano: 1 isa
  • “Dentifrice” lehibe: 1 fonosana amin’ny 12 isa
  • Akanjo mafana: 91 isa

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public