A LA UNE

Fisotron-dronono : nidina nijery ifotony ny Minisitra

Fisotron-dronono : nidina nijery ifotony ny Minisitra

 

Tsy nampoizina. Tonga nanao fitsidihana tampoka tao amin’ireo toerana isan’ny be mpandray "Pension" indrindra ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Randriamandrato Richard ny marainan’ny 18 febroary 2019. Tsy aiza izany fa ao amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette Générale d’Antananarivo (RGA) ary ny Perception Principale eny Atsimondrano. Nosafidiany manokana io andro voalohan’ny fizarana "Pension" io mba ahafahany mijery ifotony ny fizarana "Pension".

Tao amin’ny RGA sy PGA no nanombohana ny fitsidihana. Fotoana izay nanararaotan’ny Minisitra niresahana mivantana tamin’ireo zokiolona. Nilaza ohatra ireto farany nandritra ny tafa izay nifanaovan’izy ireo fa tsy mampaninona azy ireo raha misy fomba hafa ahafahany mandray "Pension". Raha ny fanazavan’ny Tale Jeneraly ny Tahirimbolam-panjakana, Herivelo Andriamanga, dia efa nisy fanatsarana nentina mba hanafainganana io fizarana "Pension" io ary mbola mitohy izany fikatsahana fanatsarana izany.

Andriamatoa Minisitra kosa dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanomezana fahafaham-po ireo mpisitraka sy ny tokony ahafahan’izy ireo mifidy izay fomba tiany handraisany ny volany. Mila miroso amin’ny fanafoanambainga na "dématérialisation" isika, hoy izy, mba ahafahana manao izany. Isan’ny nafarany ihany koa ny tokony hitazomana ny fenitra amin’ny resaka trano sy ny tokony ahatsara endrika hatrany izany.

Rehefa vita ny fitsidihana izay natao tao amin’ny PGA sy RGA dia nizotra nankany amin’ny Perception Principale (PP) Atsimondrano i Andriamatoa Minisitra sy Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana. Talanjona izy ireo nahita ireo mpivarotra amoron-dalana mibahana eo anoloan’ny Perception Principale, hany ka lasa ireo zokiolona indray no miafiafy milahatra ao aorian’izy ireo. Tokony hojerena noho izany hoy ny Minisitra ny hanalana ireo mpivarotra ireo na dia ny andro voalohan’ny fizarana fisotroan-dronono fotsiny aza. Noresahana ihany koa ny tokony hijerena toerana malalaka kokoa mba ahafahana manome fahafaham-po ireo mpisitraka any Atsimondrano.

Taorian'ny fitsidihana dia nitafa kely tamin’ireo mpanao gazety ny Tale Jeneraly ka nandritra izany no nilazany fa tsy maintsy hojerena ny hanatsarana ny fitaovana sy ny toerana rehetra fandraisana fisotron-dronono. Ireo zokiolona, izay nosoloin’i Ranaivoarivelo Edmond, filohan’ny fikambanan’izy ireo tena, dia nangataka ny tokony hanisiana toerana fialofana hatrany ahafahan’izy ireo mialokaloka rehefa mafana ny andro na avy ny orana. Nambarany fa mizotra tsara ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiasan’ny PP ary voaray tsara foana ireo zokiolona.


Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public