A LA UNE

Diavolana RANDRIAMAROMANANA : “Nanamarika ahy tokoa ny fivoaran’ny Tahirimbolam-panjakana !”

Diavolana RANDRIAMAROMANANA : “Nanamarika ahy tokoa ny fivoaran’ny Tahirimbolam-panjakana !”

 

Isan’ny mitana andraikitra lehibe ato amin’ny Tahirimbolampanjakana i Diavolana RANDRIAMAROMANANA. Izy no tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Agence Comptable Centrale du Tresor et de la Dette Publique na ACCTDP. Nanomboka tamin’ny taona 2015 no nandraisany io andraikitra io. Talohan’ny nitantanany ny ACCTDP dia izy no lehiben’ny Agence Comptable Centrale des Postes Diplomatiques et Consulaires ny 2012 ka hatramin’ny 2015. Fondée de pouvoirs tao amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo kosa no andraikitra nosahaniny voalohany taorian’ny nahavitan’ny fianarany ho Inspecteur du Trésor tamin’ny taona 2002. Folo taona no niandraiketany izany asa izany. Nandritra izay 15 taona niasany tato amin’ny Tahirimbolam-panjakana izay izany dia tao amin’ny Direction de la Comptabilité publique (DCP) hatrany no nisy an’i Diavolana Randriamaromanana. Talohan’ny nidirany tato amin’ny Tahirimbolam-panjakana kosa dia niasa tamin’ny sehatra tsy miankina izy ary ny fitantanana sy ny toekarena no lalampiofanana narahiny teny amin’ny anjerimanontolo. Tsy nitsahatra ny nianatra hatrany izy teo amin’ny fiainany. Na dia efa mpiasa tato amin’ny Tahirimbolam-panjakana aza izy ohatra dia mbola nandalina momba ny fiandraiketan-draharaha eo amin’ny asam-panjakana teny amin’ny Ecole nationale de l’administration de Madagasar (ENAM) ihany.

Sehatra maromaro tato amin’ny Tahirimbolam-panjakana no efa nandalovanao. Inona ny tena mampiavaka ny andraikitra sahaninao ato amin’ny ACCTDP?
Ny andraikitra rehetra izay nosahaniko hatreto dia ato amin’ny Direction de la Comptabilité Publique avokoa amin’ny maha mpitambolam-panjakana ahy. Mitovitovy daholo noho izany ny asa izay tanterahina izay azo fehezina amin’ny fanaovana « contrôle de régularité », «comptabilisation» ny vita anamarinana, mamokatra «situation comptable» ary misahana ny « compte de gestion ». Na dia izany aza dia misy ihany koa ny fahasamihafana. Raha ny ACCTDP dia ny mitantana ny « compte courant » ao amin’ny Banky Foiben’ny Madagasikara, ny famoahana ny « compte consolidé de l’Etat », manatanteraka ny haitoebola na comptabilité ny trosan’ny fanjakana, ny comptabilité momba ny petrabolan’ny fanjakana eny anivon’ny orinasa hananany petra-bola ary ny fanapahankevitra hanome alalana ireo orinasa mikasika ny « crédit d’enlèvement » eny amin’ny fadin-tseranana. Etsy andanin’izany anefa dia adidy lehibe napetraka amin’ny ACCTDP ihany koa ny fametrahana ny « compte unique» eto amin’ny Tahirimbolampanjakana.

Nanahoana no nandraisan’ireo mpiara-miasa ato amin’ny ACCTDP ny hoe “sady vehivavy no tanora no mitantana ny sampandraharaha”?
Roapolo izahay no mpiara-miasa ato ary mitovy ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mihatra tanteraka noho izany ny miralenta ato amin’ny ACCTDP. Ny tiako hambara amin’izany dia hoe samy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana avokoa ny tsirairay, na lahy io na vavy. Tsy misy ihany koa ny tombo sy hala. Vehivavy rahateo moa no nodimbiasana sady mbola tanora ihany koa. Tsy nisy noho izany olana manokana tamin’ny fandraisan’ireo mpiara-miasa .

Inona kosa no tena andrasanao amin’ireo mpiara-miasa izay eo ambany fifehezanao ireo?
Ny fahaizana miara-miasa entina hanatratrarana ireo tanjona izay napetraka no tena andrasako amin’ireo mpiara-miasa amiko. Izay no mahatonga ahy miezaka ny mifanakaiky amin’izy ireo hatrany. Tsy fombako ny miteny foana ireo mpiara-miasa eo ambany fifehezako mikasika ny asa izay tokony hotanterahiny. Ilaiko noho izany ny fahaizana mandray andraikitra sy ny fahatsapana izay tokony hatao. Misy koa ny tetiandro izay tsy maintsy arahinay ato amin’ny fanatanterahana ny asa. Na izany na tsy izany aza anefa dia tsy maintsy teneniko ihany izy ireo rehefa tena hitako fa taraiky ny fanatanteraha ny asa.

Inona no mahafinaritra anao indrindra amin’ny asa izay sahaninao amin’izao fotoana izao?
Ny firindram-piarahamonina no anisan’ny tena mahafinaritra ahy ato amin’ny ACCTDP. Mety hoe noho izahay somary vitsivitsy angamba no mahatonga izay, na dia hoe goavana ihany aza ny asa izay iandraiketanay ato. Mahafinaritra ahy ihany koa ny firaisankina izay asehon’ny mpiaramiasa.

Inona indray ary no tena manahirana amin’ilay asa?
Rehefa mandray fanapahan-kevitra dia manahirana foana. Raha sanatria mantsy ilay hevitra noraisina ka tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy dia mety misy fiantraikany lehibe amin’ny tena indrindra ho anay mpitankaotimpanjakana. Io ilay antsoina hoe « responsabilité personnelle et pecuniaire ». Ny fitakiana trosampanjakana koa dia sady tena manahirana no saropady. Tsy mora izany satria tsy vitsy ireo orinasa izay sahirana amin’ny famerenam-bola. Soa ihany fa na dia misy aza ireo izay miezaka mifampiraharaha mivantana amin’ny lehibe dia malalaka tanteraka izahay amin’ny fanatanterahana ny asa.

Inona no tena nanamarika anao hatramin’izay nidiranao tato amin’ny Tahirimbolam-panjakana izay?
Tadidiko tsara fony izaho vao niditra niasa: Nizara asa ny Payeur général tamin’izany andro izany. Hamita ny « comptes de gestion » ny PGA tsy vita nandritra ny taona maromaro no anjara andraikitra nasaina nataoko. Natorony ahy ny birao avy eo. Nihiratra ny masoko satria dia efitrano feno taratasy be dia be no niandry ahy. Izaho irery no nasaina hanatanteraka izany ka tsy maintsy natrehiko. Taty aoriana dia nisy ekipa ihany natsangana nanampy ahy ary vita araka ny tokony ho izy ihany ny asa. Anisan’ny nanamarika ahy foana ihany koa ireo hosoka sy ny halatsonia ary efa niharan’izany matetika ny tenako. Tsy hadinoina koa ny fivoarana lehibe tato amin’ny Tahirimbolampanjakana toy ny fampanarahampenitra ireo « Postes comptables » sy ny fialana tamin’ny CCAL ka nidirana tamin’ny karatra FANILO izay heveriko fa nampiova zavatra betsaka tokoa. Ary farany, isan’ny manamarika ahy indrindra koa ny fahaizan’ny mpiaramiasa miray hina amin’ny alalan’ireo karazana hetsika sosialy rehetra. Iriko ny hitohizan’izany satria tena mahafinaritra tokoa.

Ankoatra ny maha tomponandraikitra voalohan’ny ACCTDP anao dia renimpianakaviana sy vady ihany koa ianao. Ahoana ny fandrindrana ireo andraikitra telo lehibe ireo?
Toy ireo vehivavy miasa rehetra dia tsy maintsy mahay mandamina fotoana. Raha mbola azoko atao ihany koa ny tsy mitondra asa any an-trano dia tsy mitondra aho. Rehefa aty am-piasana aho dia ny asa no ilofosako fa rehefa any an-trano kosa dia ny fianakaviako. Amin’ny maha reny ahy dia adidiko ihany koa ny manaraka tsara ny fianaran’ny zanako. Malahelo ery rehefa tsy anatin’ny telo voalohany izy ireo satria midika izany fa mety tsy ampy ny fanarahako maso ny fianaran’izy ireo. Ny alahady hariva koa dia natokako tanteraka amin’ny fiarahana amin’ny ankohonako. Ny fikarakarana vatana ihany koa tsy azo atao ambanin-javatra na dia somary hadino aza ny manaramaso akaiky ny toe-pahasalamana indraindray.

Maro ireo izay maniry ny hiditra hiasa ato amin’ny Tahirimbolampanjakana indrindra fa ireo tanora vao nahavita fianarana. Inona ny hafatra azonao omena azy ireo?
Voalohany indrindra mila mahafantatra sahady izy ireo fa ny asa ato amin’ny Tahirimbolam-panjakana dia sady sarotra no saropady. Mila tsaroana foana hoe sampandraharaha ho an’ny daholobe ny ato na service public. Noho izany dia mila manome fahafahampo ny manan-draharaha isika. Tsy voatery hoe nandalo sampam-pianarana manokana vao afaka miditra miasa ato amin’ny Tahirimbolam-panjakana satria ny ato dia iraisan-taranja maro. Rehefa tafiditra ato kosa dia mila manatanteraka ny asa am-pamendrehana.

Inona ary ny hafatra ho an’ny mpiara-miasa?
Mila fahasahiana sy fahatokisan-tena ary fahatokisana ny mpiara-miasa hatrany isika amin’ny fanatanterahana ny andraikitra izay sahanintsika. Mila mitondra fanatsarana hatrany fa tsy mionona fotsiny amin’izay zava-misy. Ary ho an’ireo mpiara-miasa maniry ny hitana andraikitra ambony eto amin’ny Tahirimbolam-panjakana dia aza hadinoina fa tsy nateraka ny ho mpitantana ny olona iray. Novolavolaina kosa izy ho tonga amin’izany toerana izany. Zava-dehibe ihany koa ny fahaizana manetry tena ary aoka ny tsirairay tsy hanadino fa ny asa rehetra ato amin’ny Tahirimbolam-panjakana tsy ankanavaka dia manan-danja avokoa.

Source : Tahiry 56

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public