A LA UNE

Facilité élargie de crédits

Facilité élargie de crédits

 

Pierre-Jean Feno, niresaka mikasika ny “facilité élargie de crédit” (FEC)* vao nankatoavin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny Fonds monétaire international (FMI) sy ny tombony ho azon’i Madagasikara amin’izany.

Nankatoavina ny fahazoantsika ny FEC. Oviana moa izany io vao tena hoe hiditra ao anatin’ny kitapombolam-panjakana ?

Ny FEC dia fampindramam-bola. Tsy maintsy ho tonga eto Madagasikara io vola io. Tsy vola hiditra mivantana ao anatin’ny kitapombolam-panjakana anefa izy io. “Aide à la balance de paiement” no fiantsoana azy, izany hoe entina hanatsarana ny toebolan’ny firenena amin’ny ankapobeny. Any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara no andefasana azy. Tsy vola kirakiraina ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany no resahina eto fa tena ny vola malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Kendrena amin’izany ny hanatsarana sy hahamarin-toerana azy. Na izany na tsy izany dia misy ihany ampahany amin’io vola ho tonga eto Madagasikara io no ampidirina ao amin’ny kitapombolam-panjakana hoentina hanatanterahana ireo fandaniana ilaina atao “faran’izay haingana sy faran’izay maika tsy azo ihodivirana sy tsy azo ialana” mba ahafahana manainga ireo fanatsarana atao amin’ny fanatanterahana ny volam-panjakana.

Mazava izany fa hoentina hanatsarana ny faripiainanan’ny Malagasy ilay FEC. Ahoana kosa ary ny endrika isehoan’ izay fanatsarana ny faripiainan’ny Malagasy izay? Hisy ve ny fiantraikany mivantana amin’ny Malagasy?

Hahafahantsika manatanteraka fandaharanasa io FEC io. Maro ny sehatra voasahana ao anatin’izay fandaharanasa izay. Ohatra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fampidirana ny hetra. Raha misy fiakarany ny fidiram-bola ary efa voafaritra dieny mialoha hoe hisy izay fiakaran’ny fidiram-bola aty amin’ny fanjakana izay na ny “taux de pression fiscale” dia afaka manana fahafaha-manao bebe kokoa ny fanjakana amin’ny fampiasam-bola ary hoentina hanaovana fotodrafitrasam-panjakana lehibe izany. Fotodrafitrasa izay mipaka avy hatrany any amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Ao anatin’izay fandaharanasa izay ihany koa ny fanatsarana ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana. Ny fanatsarana ny fandaniana anefa dia mangataka “réformes” avy aty amin’ny fanjakana. Tsy ho zakantsika anefa ny fandaniana raha ny hetra amin’izao endriny ahitantsika azy izao no entina hiatrehana izay “réformes” rehetra tokony hatao aty amin’ny sehatry ny fanjakana izay. Ao anatin’io fandaharanasa io isika dia mahazo ny fankatoavan’ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola amintsika ka ahafahan’izy ireo mandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana izay “réformes” izay. Ny sehatra fahatelo ao anatin’izay fandaharanasa izay dia ny fanatsarana ny fitantanana ny trosam-panjakana. Ny trosa mantsy dia isan’ny fitaovana entina iatrehana fandaniana ihany koa. Rehefa mitrosa isika dia tsy maintsy mitady tahan’ny zanabola faran’izay ambany mba tsy hitambesatra loatra amin’ny taranaka fara aman-dimby izay trosa izay.

Ny fahazoantsika io FEC io sy ny fandaharanasa mandritra ny telo taona miaraka amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena dia ahafahantsika mahazo fampindramam-bola amin’ny taha mora indrindra, ilay atao hoe “emprunt concessionnel”. Io no hitazomana ny tahan’ny trosa eto Madagasikara izay anisan’ny handrefesana ny fahatsaran’ny toebolam-panjakana. Satria na hiteny aza isika hoe manam-bola be ankehitriny kanefa ireny vola ireny mitambesatra amin’ny kitapombolam-panjakana any aoriana any dia tsy hisy fiatraikany tsara amin’ny vahoaka akory izany. Izay lafiny telo izay izany no tombony azo tsapain-tanana raha ohatra ka miditra amin’izay fandaharanasa miaraka amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena izay isika.

Ohatra amin’izay fanatsarana ny fandaniana ny volam-panjakana izay…

Anisan’ny fandaniana izay mitambesatra aty amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny kitapombolam-panjakana ny famatsiam-bola na ny “subvention” izay omen’ny fanjakana amin’ny Jirama. Anisan’ny tafiditra ao anatin’io fandaharanasa izay novolavolain’ny Governemanta io ny fampihenana izay fanampian’ny fanjakana ny Jirama izay. Hisy ihany koa ny fanatsarana ny teknolojia na ny fandaniana miankina mivantana amin’ny famokarana herinaratra ao anatin’ny Jirama. Izany fanatsarana hotanterahina ao amin’ny Jirama izany dia tafiditra ao anatin’ny volavolam-pandaharanasa izay natolotry ny fanjakana nahatafidirana tao anatin’io FEC io. Ny tanjona ohatra raha amin’izao fotoana iresahantsika izao, raha 300 miliara ariary isan-taona ny famatsiam-bola omen’ny fanjakana hiatrehana ny fandanian’ny Jirama dia hampidinina any amin’ny 250 miliara ariary any izany amin’ny taona 2017. Atao izany izay hidinan’ny fandraisana anjaran’ny fanjakana amin’ny fampihodinana ny Jirama. Hisoratra mazava ao anatin’io fandaharanasa io izany ary misy fiantraikany avy hatrany amin’ny kitapombolam-panjakana. Raha ohatra ka mahavita mampihena izay vola fanampiana izay ny fanjakana dia afaka mampitombo ny fandaniana amin’ny lafiny sosialy sy fotodrafitrasa.

Raha toa ka mihena ny vola fanampian’ny fanjakana ny Jirama. Tsy ny mpanjifa indray ve izany no hameno ny 50 miliara ariary. Tsy atahorana hiakatra ve ny vidin-jiro sy rano?

Ny Jirama dia orinasa mahaleo tena. Toy ny orinasa rehetra dia tokony hahaleo ny sarany ny vidiny. Tsy izany anefa ny zava-misy satria maty antoka hatrany ny Jirama. Izany akory tsy midika avy hatrany hoe ny vola miditra amin’ny Jirama no tsy maintsy ampitomboina. Azo atao tsara ihany koa ary anatin’ny fandinihana ny fampihenan’ny Jirama ny fandaniana ao anatin’ny orinasa. Isan’ny tolotra nataon’ny Jirama ao anatin’ny vinavinanasany mba entina ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana ohatra ny famadihana ireo foibe izay mihodina amin’ny “gasoil” mba hiodina amin’ny solika mavesatra. Hihena arak’izany ny fandaniana satria io solika io dia mandany ny antsasa-manilan’ny 300 miliara ariary izay omen’ny fanjakana. Raha mivadika “central hydraulique” no ampiasain’ny Jirama na “central thermique” mihodina amin’ny solika mavesatra fa tsy “gasoil” intsony dia mihena ny fandaniana ataon’ny Jirama dia mihena ihany koa ny fandraisana anjaran’ny fanjakana.

Fanadihadiana tao amin’ny fahitalavitra TV Plus Madagascar

Facilité élargie de crédit .

»» Voir l'interview

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public