REPORTAGE

Dr Zo Rabefitia : Talen’ny Fampiharana ny Famantarana ny Toetrandro

Dr Zo Rabefitia : Talen’ny Fampiharana ny Famantarana ny Toetrandro

« Miantraika mivantana amin’ny toe-karena ny fiovan’ny toetrandro »

Fiovan’ny toetrandro. Ambetin-dresak’izao tontolo izao. Eto Madagasikara ihany koa, maro ny fanentanana ho fiarovana ny tany – aoka izay ny doro tanety sy ny doro ala, aoka izay ny fampiasana sachets… Ireo firenena mandroso dia fepetra avy hatrany no ezahiny ampiharina. I Madagasikara : manana andraikitra sa iharana ? Inona no olana ? Inona no hatao ? Mitondra fanazavana i Dr Zo Rabefitia, Injenieran’ny Famantarana ny Toetrandro sy Talen’ny Fampiharana ny Famantarana ny Toetrandro (Directeur de la météorologie appliquée) ao amin’ny Foibe mpamantatra toetrandro (Direction Générale de la Météorologie – Ministère du Tourisme, des Transports et de la Météorologie)

Gazety Tahiry : Fiovan’ny toetrandro, fiovaovan’ny toetrandro. Samy teny fandre matetika ireo.Inona no tena marina?

Dr Zo Rabefitia : Zava-dehibe tokoa ny fomba filaza satria mety handiso ny hevitra tian-kambara. Misy ny atao hoe toetry ny andro (temps) : avy ny orana na mafana na mangatsiaka… Misy ny hoe toetrandro (climat). Ny fiovaovan’ny toetrandro (variabilité climatique) dia voa-janahary : Indraindray be ny orana mandritra ny fahavaratra, indraindray mangatsiaka kokoa ny ririnina… Ny fiovan’ny toetrandro kosa (changement climatique) dia ny fitsimbadihan’ny toetrandro nisy hatrizay :fiakaran’ny hafanana, fiovaovan’ny rotsakorana, fikorotanan’ny fotoam-pahavaratra, fihamafisan’ny rivodoza.

Inona no mahatonga ny fiovan’ny toetrandro ?

Ny fahasimban’ny tontolo iainana no tena antony. Mikorontana ny fandehan’ny toetrandro (système climatique) noho ireo entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) ateraky ny setroky ny orinasan’ireo tany mandroso nanomboka tamin’ny vanim-potoana indostrialy sy noho ireo doro tanety sy doro ala… miakatra ny hafanan’ny tany. Haingana kokoa izany tato anatin’ny taona 50 hany ka mikorontana ny toetrandro.

Ho an’i Madagasikara manokana, efa miova ve ny toetrandro ?

Mbola fiovaovan’ny toetrandro mafy, tsy mahazatra antsika no iainantsika eto Madagasikara. Tao anatin’ny 100 taona dia niakatra 1°C ny maripana. Raha mitohy izao dia mizotra makany amin’ny fiovan’ny toetrandro isika. Amin’izay fotoana izay dia hiakatra be ny maripana, hikorontana ny rotsakorana, hitombo ireo faritra maina, hihemotra ny fanombohan’ny fotoam-pahavaratra, sady hihamahery vaika ny rivodoza, hisondrotra ny ranomasina. Marihina fa tsy tokony hihoatra ny 1,5 na 2°C ny fiakaran’ny maripana raha tiana ho zakan’ny olombelona. Ny vinavina ho 1°C ka hatramin’ny 2,6°C izany fiakaran’ny hafanana izany alohan’ny faran’ity taonjato ity raha oharina amin’ny salanisan’ny maripana azo teo anelanelan’ny taona 1961 sy 1990. Loza mitatao izany.

Inona no mety ho vokatry ny fiovan’ny toetrandro eo amin’ny sehatry ny toe-karena sy ny fiaraha-monina eto Madagasikara ?

Ny fiakaran’ny hafanana be loatra dia mety hiteraka fikorontanan’ny taom-pambolena sy hampirongatra ny bibikely mpanimba voly. Ho mora kokoa ny hitrangan’ny doro ala sy ny doro-tanety ary harefo kokoa ny fahasalaman’ny olona indrindra fa ny zokiolona sy ny ankizy. Hiteraka faharatsian’ny vokatra sy fihenan’ny tahirin-drano ny haintany. Mety tsy haharaka hatramin’ny herinaratra vokarina hono ny tsy fahampian’ny rano. Ny rotsakorana be loatra sy ny tondra-drano ary ny rivo-doza kosa dia hanimba ny vokatra sy ny fotodrafitrasa. Ary ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina dia hisy fiantraikany amin’ny jono sy hanimba ny harena voajanahary an-dranomasina. Hihena koa ny morontsiraka satria hokaohin’ny ranomasina ny tany. Hasira ny rano anaty lavadrano.

Afaka miatrika io fiovan’ny toetrandro io ve isika malagasy ?

Efa nanao izay mety araka ny enti-manana isika Malagasy. Samy manao izay tandrify azy ny rehetra Tsy hoe tonga lafatra izany, fa izay aloha no misy. Raha mihamafy ny fiovaovan’ny toetrandro dia tsy maintsy mitady fomba entina miatrika izany ny fitondram-panjakana ary efa voafaritra ao anaty PND (Plan National de développement) izany.

Inona no tokony hatao ?

Mila miatrika dieny izao isika. Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia mila manamafy ny ady amin’ny doro ala sy ny doro tanety. Misy fiatraikany amin’ny toetrandro mantsy ny fisian’ny ala sady manampy amin’ny fanadiovana ny rivotra iainana. Mila mampiasa angovo vaovao tsy mila solika azo avy amin’ny rivotra, masoandro, rano (...) ihany koa. Mila koa isika mampifanaraka ny zavatra atao sy ny fotodrafitrasa amin’izay mety ho fiovan’ny toetrandro toy ny fanamboarana trano «para-cyclonique», ny fampiharana fomba fambolena mifanaraka amin’ny toetrandro tahaky ny fampihenana ny fotoam-pambolena ohatra.

Misy ny fanampiana izay angatahin'ireo firenena madinika...

Isan’ireo firenena mangataka fanampiana amin’ireo izay manana andraikitra ara-tantara amin’ny fiovan’ny toetrandro (responsabilité historique) tokoa i Madagasikara. Mendrika ahazo izany fanampiana izany isika indrindra fa raha i Madagasikara manokana no asiana resaka dia afaka manampy betsaka amin’ny fanenana ny entona mangeja hafanana amin’ny alalan’ny ala izay ananantsika isika. Izany hoe afaka manampy tsara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara.

Manana anjara andraikitra amin’io fiovan’ny toetrandro io ve i Madagasikara sa iharany fotsiny ihany?

Lazaina ombieny fa samy tomponandraikitra ny rehetra. Iaraha-manaiky anefa fa misy ireo firenena no tena nanimba be ny tontolo iainana, ary misy ireo tsy dia nanana andraikitra loatra tamin’izany (responsabilité commune mais differenciée). Raha i Madagasikara manokana dia isan’ireo izay kely dia kely tokoa ny anjara andraikiny amin’ny famokarana ireo entona mangeja hafanana ireo. Tsy voasokajy manokana ao anatin’ny filaharan’ny firenena izay tena mpamokatra ny entona mangeja hafanana akory isika nefa dia anisan’ireo firenena marefo eo anatrahan’ny fiovan’ny toetrandro.

Inona no tokony hatao mba tsy hahamafy loatra ny fiovaovan’ny toetrandro sy hahafahana miatrika tsara ny fiovan’ny toetrandro?

Ny ezaka takina amin’izao tontolo izao ankehitriny dia ny fanenana ny famokarana ny entona mangeja hafanana. Ny firenena rehetra dia samy miteny izay tanjona mety ho tratrariny avokoa. Ny tanjona napetraka ho an’ny eran’izao tontolo izao dia mba tsy hihoatra ny 1,5° na 2°C ny fitomboan’ny hafanana amin’ity taonjato ity. Mety ilana didy manery (mesures contraignantes) anefa ny fanatanterahan’ny firenena tsirairay izany tanjona izany. Ireo firenena tena mandroso no tena mamokatra be indrindra ny entona mangeja hafanana. Ny adihevitra dia inona no tokony hatao mba sady handroso no hiaro ny tontolo iainana ireo firenena toa an’I Madagasikara.

Inona kosa ny anjara andraikitry ny Foibe mpamantatra toetrandro amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro?

Manana anjara andraikitra lehibe tokoa ny eto amin’ny Foibe mpamantatra toetrandro amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro. Araka ny voalaza dia mila miomana mialoha isika ka ny Foibe no afaka manampy amin’izany amin’ny filazana mialoha izay tranga mety hiseho.

Afaka manao izany araka ny tokony ho izy ve ny Foibe Malagasy mpamantatra toetrandro ?

Efa manao izay ezaka rehetra ny teknisiana momba ny famantarana ny toetrandro na dia tsy ampy aza ny fitaovana ampiasaina eto Madagasikara. Efa antitra avokoa ny fitaovana. Mihoatra ny 20 ny isan’ny station météo eto amintsika kanefa na ny fandrefesana hafanana aza dia tsy misy indraindray. Tsy misy mandeha ireo radara telo na dia tena ilaina aza. Tokony ho isan’ny vaindohandraharaha ny fampitaovana ny Foibe mpamantatra toetrandro satria manampy ny firenena amin’ny fiatrehana loza voajanahary izany.

Inona ny tokony hatao sa dia mionona amin’ny zava-misy fotsiny ihany ?

Miezaka ny miara-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka izahay eto amin’ny Foibe mpamantatra toetrandro, ary efa nahitana vokany izany fiaraha-miasa izany raha ny fampifitaovana no resahina. Lafo dia lafo ny fanavaozana fitaovana. Ny radara iray fotsiny ihany dia efa mitentina eo ho eo amin’ny 2 tapitrisa Dolara mahery. Ny angatahina sy irariana anefa dia mba ho isan’ny laharam-pahamehana io fampitaovana ny Foibe mpamantatra toetrandro io rehefa miresaka amin’ny mpiara-miombona antoka ara-bola isika, raha toa ka mavesatra loatra ho an’ny Fanjakana izany. Ny fananana fitaovana manara-penitra koa mantsy dia ahafahana manaraka akaiky ny fiovan’ny toetrandro ary ahafahana mandray andraikitra avy hatrany fa tsy hoe miandry ny loza tonga izay vao mandray fepetra.

Voalaza fa miha-potika andro aman’alina ny ala eto Madagasikara. Mbola afaka manampy marina amin’ny fiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro ve isika ?

Tena afaka manampy tokoa isika satria i Madagasikara dia manana toetrandro ahafahana mamerina ny ala efa potika sy miaro ireo mbola eo; eny fa na dia ny any amin’ny faritra atsimo aza. Isan’ny firenena manana toetrandro tsara indrindra isika (paradis climatique) ary tokony sady afaka miatrika ny fiovan’ny toetrandro isika no afaka mandroso. Mila ampahafantarina ny Malagasy tsara io harena momba ny toetrandro ananany io. Izany no maha zava-dehibe ny fampitaovana ny Météo Malagasy. Anisan’ny lahara-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fihatrehana ny loza voajanahary ary manana andraikitra lehibe amin’izany ny Ministeran’ny Fizahan-tany, ny Fitanterana ary ny Famantarana ny Toetrandro. Lafiny roa anefa no tokony hijerana izany. Ny voalohany dia ny fepetra raisina mialoha ahafahana mihatrika ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetrandro. Raha apetratsika amin’ny toerana tokony hisy azy ny Foibe mpamantatra toetrandro amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fanofanana dia hihena betsaka ny mety ho voka-dratsin’ny loza voajanahary. Ny lafiny faharoa dia ny tokony hanararaotantsika ny toetrandro tena tsara izay ananan’i Madagasikara mba ho tena fanoitra lehibe eo amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena. Miankina amin’ny toetrandro tokoa mantsy ny sehatra maro: fambolena, famokarana angovo, rano fisotro, fahasalamana, jono, fizahan-tany, lalana, fitaterana sy ny maro hafa.

Partager cet article sur :