A LA UNE

Nahomby ny fandaminanana natao tao amin’ny PGA-RGA

Nahomby ny fandaminanana natao tao amin’ny PGA-RGA

 

Faly ny mpisotro ronono. Izay no azo ambara raha nanontaniana ireo izay tonga nandray ny volany tao amin'ny Paierie Générale (PGA) sy Recette Générale d'Antananarivo (RGA) ny alakamisy 18 febroary 2016. Nahomby tokoa mantsy ny fandaminana vaovao hany ka tamin'ny 9 ora maraina mahery dia efa tsy nisy intsony ny filaharam-be izay nahazatra rehefa andro voalohany amin'ny fizarana fisotroan-dronono toy izao. Mbola mampanantena ny tompon'andraikitra fa mbola hisy hatrany ny fanatsarana izay ho entina amin'ny volana ambony mba hanafainganana kokoa hatrany ny fandraisana fisotroan-dronono.

Raha ampatsiahivina dia nisy ny fanamboarana izay natao tao amin'ny PGA sy ny RGA ka lasa manoloana ny RGA ny fizarana ny taratasy fisotroan-dronono. "Comptoirs" miisa valo no namboarina hanatanterahina izany. Nampitomboana ihany koa ny isan'ny "caisses" ary lasa azon'ny mpandray vola atao ny mandray ny volany na ao amin'ny PGA na ao amin'ny RGA. Izany rehetra izany no natao dia mba hanamorana sy hanafainganana ny fandraisana vola ao amin'ireo toerana ireo.

Tafatafa natao (tamin'ny 9 ora maraina)

"Tena mety ny fandaminana izay natao. Ny tena mahafinaritra dia lasa afaka mipetrapetraka izahay fa tsy mijoro ela be toy ny taloha intsony. Tamin'ny volana farany teo izao efa ho maherin'ny adiny iray ny tenako no teto, ary nijoro foana. Raha ny androany indray dia tamin'ny 8 ora sy sasany aho no tonga teto. Mbola tsy amin'ny sivy akory izao, dia efa miandry antsoina fotsiny aho sisa. Fa na dia mahafinaritra aza ny fandaminana dia mba mangataka ihany izahay mba ho ampiana ny fialokalofana itsinjovana ny andro mafana sy ny avy orana".

 

"Lasa vetivety kokoa ny filaharana. Ny nomerao 92 izao no nandeha tamin'izaho tonga teto. Ny nomeraoko 273, nefa efa hiditra sahady aho. Raha mbola ilay fomba fandraisana taloha anefa no teo, dia mino marina aho fa amin'ny 11 ora aho vao mandray vola. Mahafinaritra ihany koa ireo mpandamina fa sady mahalala fomba no manazava tsara rehefa anontaniana. Raha izaho manokana dia efa mazava amiko ny fandaminana ka tsy hanana olana aho amin'ny fandraisana fisotroan-dronono manaraka.

 

Sambany aho no tafavoaka amin'ny 9 ora izany fa matetika amin'ny 11 ora maraina foana ny tenako vao mahazo vola. Tena hita mihitsy hoe nisy fivoarana be. Irina ny hitohizan'izany hatrany. Na dia izany aza dia mba mangataka amin'ny tompon'andraikitra izahay amin'ny filaharana 1 sy 2 fa be loatra izahay ka lava be ny filaharana hany ka reraka ihany vao tonga any amin'ny fangalana taratasy fisotroan-dronono.

 

Ny ora voalohany no somary nanahirana kely satria hita ihany hoe mbola sadaikatra ny olona amin'ilay fandaminana vaovao. Rehefa avy eo anefa dia nizotra soa aman-tsara ihany ny fandaminana. Izahay mpandamina rahateo miezaka ny mandray ireo Ray aman-dReny am-panajana sy am-pitoniana tanteraka. Nanomboka tamin'ny 7 ora latsaka ny fandraisana olona androany ka ireo marary no nalefa mialoha.

 

Mandeha arakaraky ny noeritreretina ny fandaminana vaovao izay napetraka. 15 minitra farafahaela dia mahazo vola ny mpisotro ronono rehefa mahazo ny taratasy ary 15 segondra dia azo ny vola rehefa eo amin'ny "caisse". Azo lazaina izany fa tratra ny tanjona fa mbola azo atao ihany koa anefa ny manafaingana kokoa ny fizarana fisotroan-dronono eto amin'ny PGA. Tsapa fa be loatra ireo mpisotro ronono ao amin'ny laharana 1 sy 2 ka nanapa-kevitra izahay fa amin'ny fizarana fisotroan-dronono manaraka dia ampiana iray ny "comptoirs" fizarana taratasy fisotroan-dronono natokana ho azy ireo.

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public