REPORTAGE

Richard Ranarivony : Sojaben’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy Siansa maha Olona, mpikambana ao amin’ny vondrona mametraka ny LMD

Richard Ranarivony : Sojaben’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra  sy Siansa maha Olona,  mpikambana ao amin’ny vondrona mametraka ny LMD

« Miankina amin’ny lanja omena ny mpampianatra ny hoavin’ny fampianarana »

Miroso tsikelikely amin’ny rafitra Licence Master Doctorat (LMD) ny anjerimanontolo eto Madagasikara. Rafitra mampifandray ny fampianarana ambony amin’ny fiainam-piaraha-monina sy ny toekarena io rafitra vaovao io, sady manome lanja ny traikefa rehetra… Manazava Andriamatoa Richard Ranarivony, Sojaben’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy Siansa maha Olona (FLSH), mpikambana ao amin’ny vondrona mametraka ny LMD

Gazety Tahiry : Inona marina moa ilay rafitra LMD ?

Richard Ranarivony : Rafi-pampianarana noraisina avy tamin’ny anjerimanontolo angilisy ny rafitra LMD. Noho ny fanavaozana ny fampianarana ambony dia niitatra tany amin’ny firenen-kafa io rafitra io ary dia izao izy tonga eto Madagasikara izao. Telo taona aorian’ny fahazoana ny baccalauréatno ahazoana ny Licence, roa taona aorian’ny Licenceny Master ary telo taona aorian’ny Masterny Doctorat. Napetraka mba hahafahan’ireo mpianatra ho afa-miasa sy hamokatra avy hatrany ny LMD. Tsy fampianarana miendrim-pantsona (formation tubulaire) fa fampianarana malalaka sy mivelatra no manamarika ny rafitra LMD.

Azonao hazavaina ve ?

Ny mpianatra tsirairay no misafidy ny toetra amampahaizany (profil). Misafidy ny sampam-pianarana fototra (filière de base) tiany harahana izy ary afaka mianatra taranja hafa any amin’ny toerampampianarana hafa ato amin’ny anjerimanontolo. Raha mpianatra ao amin’ny sampana Tantara izy ohatra dia afaka mianatra taranja any amin’ny sampana Lalàna ihany koa, arakaraka ny filany. Toy izany koa, raha te ho mpahay lalàna nefa sahirana amin’ny fanoratana dia dieny mbola ety amin’ny anjerimanontolo dia efa afaka mianatra izany…

Inona izany ny satroka entin’ilay mpianatra rehefa mahavita fianarana izy raha nanaraka sampam-pianarana maro ?

Raha Tantara no nidirany tety amin’ny anjerimanontolo dia mpahay tantara ihany izy. Ny fiofanana fototra manko no ahazoana maripahaizana. Ahazoany fanamarinam-pahavitana ny fianarana ny taranja kosa ny fiofanana fanampiny nataony.

Ahoana kosa ny any amin’ireo sekoly ambony toy ny any amin’ny Agronomie sy ny Polytechnique ?

Azon’ny mpianatra any amin’ireny sekoly ireny atao ny mandeha amin’ny fakiolte hafa araka ny filany avy.

Inona no tombotsoan’ny firosoana amin’ity rafitra LMD ity ?

Ny fahalalahana no voalohany. Araka ny efa voalazako teo dia afaka misafidy ny toetra amampahaizany ny mpianatra tsirairay. Malalaka ihany koa anefa izy amin’ny fotoana satria efa voafaritra mialoha ny taranja rehetra tokony ho hain’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana fototra tsirairay. Marihina fa tafiditra ao amin’ity rafitra ity ny fianarana asa. Raha ny ato amin’ny FLSH manokana dia maro ireo mpianatra no efa mianatra asa any amin’ireo vondrona iraisam-pirenena sy orinasa isankarazany. Ny asa efa nataon’ny mpianatra ihany koa dia azo avadika ho crédits. Tetezana eo amin’ny tontolon’ny fianarana ambony sy ny tontolon’ny asa ny rafitra LMD.

Ahoana ny endriky ny fisoratana anarana : misoratra anarana hiditra ao amin’ny taona voalohany ny mpianatra sa misoratra anarana haka ny Licence ?

Misoratra ho amin’ny taona voalohany ihany ny mpianatra, antsoina hoe Première année de licence. (L1). Mety ho fifaninanana na fisivanana antontantaratasy ny fidirana amin’izany, arakaraka ny toeram-pianarana. Amin’ny Masterkosa dia appel à candidatureka afaka mametraka ny antontantaratasiny avokoa izay rehetra manana Licence.

Raha tsy azo ao anatin’ny herintaona ny crédits voafaritra ho tokony halaina mandritra ny herintaona dia mamerina misoratra anarana sy mandoa ny sarampisoratana anarana ve ilay mpianatra ?

Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fivorian’ny mpampianatra no mbola hahafahany manohy na tsia. Mety ho afaka miditra amin’ny enimbolana manaraka (marihiko fa mandeha isaky ny enimbolana ny fianarana ao amin’ny rafitra LMD) ihany ilay mpianatra fa tsy maintsy mahafeno ny créditstsy azony.

Tsy hisy intsony ve izany ny fandavana mpianatra avy any amin’ny anjerimanontolom-panjakana avy any amin’ny faritra satria tsy mitovy ohatra ny taranja nianarana ?

Raha nisy taranja tsy nianaran’ilay mpianatra, dia anjaran’ilay fakiolte mandray no miteny ilay mpianatra ny mba hanaovany izany. Na miomana ho amin’ny Masteraza ilay mpianatra dia mety mbola hameno ny crédits-n’ny licence. Tsy zavabaovao izany fa efa natao hatrizay. Rehefa misy mpianatra avy any ivelany tonga eto Madagasikara hanao Masterdia asaina mianatra ireo taranja izany nianaran’ny mpianatra taty kanefa tsy nianarany tany izy. Torak’izany koa rehefa makany ivelany ny mpianatra malagasy.

Manao ahoana kosa ireo izay manana ny diplôma azo tamin’ny rafitra taloha ka te hiverina hianatra ?

Entiny ny maripahaizana ananany ary ampahafantariny ny asa izay efa nataony. Anjaran’ny sampam-pianarana tiany hidirana avy eo no miteny raha misy taranja tokony hampiany na tsia. Azo atao tsara ihany koa ny manatona ireo mpampianatra manontany izay tokony hatao.

Inona ny fepetra takin’ny rafitra LMD ? Mahafeno ny fepetra ve isika ?

Miandalana ny firosoana amin’ny rafitra LMD satria mila fotoana izany. Mbola tsy feno tanteraka ny fepetra. Ny tsy fitovian’ny fotoam-pidiran’ny fakiolte rehetra, ny tsy fitovian’ny fitsinjaram-potoana ianarana, ny tsy fifandraisan’ilay anjerimanontolo loatra amin’ny tontolo ara-toekarena sy ny tontolo ara-piaraha-monina ka tsy mampifanaraka ny filan’ireo tontolo ireo sy ny fampianarana atao aty amin’ny anjerimanontolo. Izany rehetra izany no mbola an-dalam-pandaminana amin’izao. Marihina ihany koa fa tsy maintsy manao asa fikarohana ny mpampianatra ary ny mpandraharaha dia mila mahafehy ny fitaovana ampiasana haikajimirindra.

Inona ny dingana efa vita hatreto amin’ny fametrahana io rafitra LMD io ?

Efa mitsangana isaky ny sampam-pianarana ny équipe de formation izay manampy ny mpianatra amin’ny safidiny sy mametra ny créditstokony hotratrarina. Raha ny FLSH manokana no resahina dia efa nofoanana ny fitsitokotokoan’ny sampam-pianarana tsirairay. Ankoatra izany, ny Fakiolten’ny Lalàna, ny Fitantanana, ny Sosiolojia ary ny Toekarena (DEGS) sy ny FLSH dia nanangana école doctoraletokana. Zava-dehibe amin’ny fandrindrana ny fampianarana izany. Miara-misalahy ny mpampianatra amin’ny fampianarana sy ny fanampiana ny mpianatra manantanteraka ny Doctorat. Tamin’ny volana septambra 2014 koa ny FLSH dimy manerana an’i Madagasikara dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa mahakasika ny fanamorana ny fivezivezen’ny mpianatra na dia mbola somary sarotra aza ny fanantanterahana azy.

Mety hahafahana mamaha ny olana mahakasika ny tsy fifanarahan’ny fianarana misy sy ny filan’ny tontolon’ny asa ve ny LMD ?

Eny. Jereo anie e ! Vitsy kokoa ny tahan’ny tsy fananana asa any amin’ireo tany mampihatra ny rafitra LMD satria mifandray kokoa amin’ny tontolo ara-toekarena ny anjerimanontolo. Misy aza ny mpianatra no mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny orinasa mihitsy !

Manahoana ny enti-manana ?

Olana iray lehibe io resaka enti-manana io. Hatramin’ny taona 2009 dia tsy ampy ny tetibola aty amin’ny fakiolte. Ny fampianarana maimaimpoana rahateo efa tsy misy intsony. Tsarovy ihany koa fa eto Madagasikara irery no mahazo vatsimpianarana daholo ny mpianatra kanefa vao taona voalohany. Tokony hisy fepetra mazava tsara hahafahan’ilay mpianatra mahazo izany fa tsy izy rehetra no indray omena. Ny tanjona dia ny mba hitomboan’ny vatsim-pianarana ho an’ireo izay tena mianatra sy ireo mety hahavita ny fianarany hatramin’ny farany. Betsaka manko ireo mpianatra no mandray vatsim-pianarana fotsiny kanefa tsy mianatra ara-dalàna akory.

Ahoana kosa indray ny fahitanao ny hoavy sy ny lentan’ny fampianarana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara ?

Tena mihen-danja ny fampianarana eto Madagasikara kanefa io no isan’ny antoky ny fampandrosoana. Tsy mitovy velively ny faripiainana sy ny fomba fiatrehan’ny olona nandia fianarana sy ny olona tsy nandia fianarana ny fiainana. Indrisy anefa fa kely ny fandaniana atokan’ny Fanjakana ho an’ny fampianarana ary toa tsy laharam-pahamehana ny fampianarana eto amintsika.

Inona ny antony mety ho nampidina ny lentan’ny fampianarana teto amintsika ?

Ny tsy fanomezana hasina ny fampianarana sy ny mpampianatra. Ankoatra ny fahakelezan’ny karaman’ny mpampianatra dia betsaka ny tsy ampy fiofanana amin’izy ireny. Ao ihany koa ny hoe mampianatra satria tsy mahita zavatra hafa atao.

Inona no lesoka hitanao amin’ny fampianarana ?

Ny fanafoanana ny fampianarana ho olompirenena vanona (éducation civique).

Ary inona ny tombony amin’ny fianarana amin’anjerimanontolom-panjakana ?

Mbola hafa foana ny diplaomam-panjakana. Eo ihany koa ny kalitaon’ny mpampianatra. Tsy izay te hampianatra rehetra no tafiditra mpampianatra ety fa misy fepetra maro jerena. Ny mahatonga ny olona miahiahy anie dia ireo fitokonana isankarazany izay mateti-piverina e. Eo ihany koa ny fotodrafitrasa. Maro ireo tomponandraikitra eto amintsika no reharehan’ny anjerimanontolompanjakana. Ary marihiko fa na nisy aza ny fitotonganan’ny lentan’ny fampianarana amin’ny ankapobeny, ny taty amin’ny anjerimanontolompanjakana tsy dia voakasik’izay.

Inona izany no tokony hatao raha te hamerina ny fahatokisan’ny olona amin’ny anjerimanontolom-panjakana ?

Mila jerena akaiky ny fampitaovana ny anjerimanontolom-panjakana. Ny lenta sy ny ho avin’ny fampianarana dia miankina indrindra indrindra amin’ny lanja izay omena ny mpampianatra. Ny mpampianatra koa dia mila miezaka manohy ny fikarohana hatrany fa tsy mionona fotsiny amin’izao. Izahay eto amin’ny FLSH Antananarivo izao dia efa nanokana andro iray isam-bolana mba hahafahan’ny mpikaroka maneho ny asa fikarohany sy mba hisian’ny fifanampiana sy ny tsikera.

Partager cet article sur :