A LA UNE

AROSO AMIN’NY ALATSINAINY 16 NOVAMBRA

AROSO AMIN’NY ALATSINAINY 16 NOVAMBRA

 

Haroso ho amin’ny alatsinainy 16 novambra 2015 ho avy izao ny fandraisana pension ho an’ireo zokiolona miisa 109 000 manerana ny rantsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana rehetra eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny Paierie Générale d’Antananarivo, ny Recette Générale d’Antananarivo, ireo Trésoreries générales sy Trésoreries principales, ny Trésoreries ministérielles ary ny Perceptions Principales rehetra. Nampahafantarin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny mpanao gazety fa noho ny fizarana ny karatra fandraisana pension vaovao ho an’ireo zokiolona ireo no antony io fandrosoana roa andro ny fizarana pension io.

Araka ny fanambaran’i Herivelo Andriamanga, Payeur Général eto Antananarivo dia misy ny toromarika izay tokony harahin’ny mpandray pension rehetra. Noraisina izany fepetra izany mba hisorohana ny korontana sy ny filaharam-be.

Nohamafisiny ihany koa fa hafainganina ny fizarana ny karatra vaovao ho an’ireo mpandray pension. Ny fanatanterahana izany dia miaraka amin'ny Foibem-pitondran’ny fitantanana ara-bola ireo mpiasam-panjakana (DGGFPE), izay handefa solontena any amin’ireo rantsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana izay hizara izany karatra izany sy handray ny antontan-taratasy rehetra ilaina. Efa misy ny toromarika izay napetraka sy tokony harahin’ny rehetra mba hizoran’ny fizarana pension ao anatin’ny filaminana tanteraka. Ankoatra ireo antontan-taratasy mahazatra ilaina dia mitondra sary tapaka roa ny mpandray fisotroandronono.

Toy ny mahazatra dia mitondra ny karapanondrom-pirenena sy ny karatra fandraisana pension ireo zokiolona. Ampahatsiahivina fa tsy maintsy ny tenan’ilay olona mpandray fisotroan-dronono mihitsy no tonga maka ny karatra vaovao. Hotsinjovina manokana kosa ireo zokiolona izay tsy afaka mitsangana intsony. Efa misy ny fandaminana manokana sy ny fepetra entina hanampiana azy ireo.
Marihina ihany koa fa maimaimpoana sy tsy andoavam-bola na ariary aza ny fanoloana ny karatra fandraisana pension, rehefa feno ny antontan-taratasy rehetra takiana.

Mbola hitohy mandritra ny volana novambra manontolo sy ny volana desambra ny fizarana izany karatra vaovao izany. Rehefa vita kosa ny fizarana dia tsy manan-kery intsony ireo karatra taloha.

Partager cet article sur :

»»» Les articles sur le Trésor public