REPORTAGE
Laza Rabary Razafimamonjy: Tale jeneralin’ny asam-panjakana

«Ny vola no maha rangahy». Ohabolana malagasy. Ny vola. Izany hoe ny asa. Efatra tapitrisa ireo tsy an’asa eto Madagasikara (BIT 2014). 4%n’ireo manana asa ihany no ao amin’ny sehatra andrafitra (secteur formel) ary maro be ireo miasa ihany, saingy tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany ny asa ataony. 500 000 isantaona ireo olona miditra eo amin’ny tsenan’ny asa. Izany rehetra izany dia ahafahana milaza fa sarotra ny mitady asa eto Madagasikara ary mpihazaka (paramètres) maro no mbola tsy voafehy.
Gazety Tahiry: Ahoana ny fahitanao ny tontolon’ny asa eto Madagasikara? Laza R. RAZAFIMAMONJY :
Voalohany :Tsy mifandanja ny tolotra sy ny tinady. Ambony
be ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny tahan’ny fiasana tsy araka ny fari-pahaizana na any
amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana izany na eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana.
Faharoa : Te ho mpiasam-panjakana avokoa ny olona. Tsy misafidy asa ny tanora ka na ambony
miohatra ny fari-pahaizana takin’ilay asa aza no ananany dia atao ihany ilay asa. Rehefa tafiditra
fotsiny dia ampy izay. Io toetsaina «zara ary mba tafiditra» io no entin’ny tanora malagasy mitady
asa ankehitriny.
Fahatelo : Miroborobo fatratra ny sehatra asa
tsy andrafitra (secteur informel).
Ny tsy fahampian’ny famoronana asa mihitsy no antony. Tsy mifanandrify amin’ny filan’ny orinasa ny fari-pahaizan’ny mpitady asa. Sarotra ny manafoana ny sehatra asa tsy andrafitra satria tsy hita akory hoe hatao aiza ireo olona miasa amin’izany sehatra izany. Tsy ampy ny fanofanana araka asa. Tsy misy afaka mifanome tsiny anefa fa samy tomponandraikitra amin’izany na ny Fanjakana na ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Tanjon’ny ankamaroan’ny tanora hoy ianao teo ny hiditra ho mpiasam-panjakana. Inona no anton’izany ?Ilay sata mihitsy no mahatonga izany. Lalàna velona no mifehy ny mpiasam-panjakana, noho izany dia mahatsiaro ho milamin-tsaina ireo mpiasa satria mitombina kokoa. Raha any amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana mantsy dia tsena toy ny tsena rehetra ny asa : rehefa tsy afa-po ny mpampiasa dia mandroaka. Mila manaja ny lalàna momba izany fotsiny ny orinasa toy ny fampandrenesana mialoha ny fandroahana ohatra. Ny aty amin’ny Fanjakana indray, sarotra be izany mandroaka mpiasa izany.
Inona no toeran’ny Fanjakana amin’ny fampananana asa ?Singaniko manokana ny fampiroboroboana ny fampindramam-bola sy ny fampidirana andrafitra ny sehatra asa araka izay azo atao na dia tena sarotra aza izany. Marihiko anefa fa misy mpihazaka tsy voafehy satria indraindray dia tsy maintsy manaraka ny fepetra apetraky ny mpamatsy vola ny Fanjakana, toy ny mikasika ny orinasa afaka haba, ohatra.
Maro amin’ny orinasa tsy miankina no voalaza fa tsy manaja ny fepetry ny asa araka ny lalàna. Inona no andraikitry ny Fanjakana amin’izany ?Ny miezaka foana amin’ny fanaraha-maso sy ny fanentanana ho amin’ny fanarahan-dalàna no andraikitry ny Fanjakana, na ho an’ny mpiasa na ho an’ny mpampiasa. Misy ny orinasa no manery ny mpiasany hiasa mihoatra ny ora valo isanandro satria manenjika famokarana. Fa misy ihany koa ny mpiasa mihitsy no tsy te hanaradalàna (tsy mety manaja ireo fepetra fiarovantena toy ny tampim-bava, ohatra...)
Ambany dia ambany ny karama eny amin’ny sehatra tsy miankina matetika. Afaka miditra amin’izany ve ny Fanjakana ?Eny, afaka miditra mihitsy. Rehefa mampiakatra karama ny Fanjakana dia tokony hanao izany ihany koa ny orinasa. Maro anefa no tsy manao izany ary tsy mahasahy miteny akory ny Fanjakana satria sao mihidy ny orinasa ka ho very asa ny vahoaka maro be. Mbola mipetraka ihany ilay hoe «aleo homan-kely toy izay mandry fotsy» hany ka voatery milefitra ny rehetra. Manararaotra ny tompon’orinasa satria toa voatambitamby.
Ny fandraisana mpiasa, ny karama tsy mifanaraka amin’ny mari-pahaizana aty amin’ny Fanjakana… Inona no azonao lazaina ?Tena mila fanatsarana io fandraisana mpiasa io aty amin’ny Fanjakana. Raisiko ho ohatra ny Employés de Courte Durée (ECD). Raha misy olona tafiditra ho ECD dia mijanona ho ECD foana izy. Tsy manan-tsafidy izy fa izay asa misy eo no ataony na inona na inona fari-pahaizany ary ny karamany dia kely satria ny sorabola entimiasa no tsinjaraina amin’ny ECD rehetra ary ny isan’izy ireo dia tsy mitsaha-mitombo. Ny sosokevitro dia ny famerana ny fotoana maha ECD ka rehefa tratra io fe-potoana io dia mivadika ho EFA (agents occupant des emplois normalement dévolus aux fonctionnaires) ilay olona. Marihiko ihany koa fa misy ny poste budgétaire no manjavona fotsiny. Ny farany azo atao dia ny mamporisika ny ECD hiditra ho Employé de Longue Durée (ELD) satria zony izany.
Nahoana no tena betsaka ny hosoka amin’ny mari-pahaizana aty amin’ny amin’ny sehatry ny asam-panjakana ? Ilay fahafahana manao reclassement - fahafahan’ny mpiasam-panjakana iray miakatra
amin’ny sehatra avoavo kokoa rehefa mahazo mari-pahaizana ambony kokoa - no anton’izany.
Ny vahaolana arosoko dia ny fampiharana ny adéquation profil-poste, izany hoe ny fampifanarahana ny asa sy ny mari-pahaizana ka hahafantarana mazava ny toerana sy ny andraikitra tokony hotanan’ny mpiasa tsirairay
mba samy hitondra ny anjara birikiny ny rehetra.
Efa nisy ny sekoly ambony tsy miankina nangataka izany saingy tsy nekena ary tsy azo ekena mihitsy izany. Ary marihiko tsara fa raha attestation no entina eto fa tsy diplôma dia tsy soniaviko na avy aiza io na avy aiza ary na fidirana miasa io na fifaninanana. Izany koa dia ialana amin’ireo olona tsy nahavita sorakaroka (mémoire) akory nefa dia voasokajy mitovy amin’ireo izay nahavita ny azy. Tsy fantatro ny fanao taloha, fa ny amin’izao fotoana izao no lazaiko. Misy koa aloha no fetsifetsy dia mitondra ny didim-pitondrana momba ny fimirasanda (arrêté d’équivalence). Tsy maintsy manatitra ny mari-pahaizana aty izy satria ny didim-pitondrana momba ny fimirasanda sy ny mari-pahaizana no ilaina miaraka.
Maro ireo sekoly fampianarana ambony tsy miankina. Inona no hevitrao ?Ny tokony hatao izao dia mametraka tsara ny cahier de charges (amboaram-pepetra) izay ahafahana manangana sekoly. Fa raha ny tenako manokana aloha dia mampirisika ny ankizy hoe raha mbola azo hatao dia aleo mandeha mandrato fianarana eny amin’ny anjerimanontolo na mankany amin’ireo tsy miankina izay efa hita fa manana ny maha izy azy satria voafitaka ny ray aman-dreny, potika ny ankizy ary potika ihany koa ny firenena.
Inona moa izany ny tena dikan’ny hoe habilitation sy homologation ary agrément?Raha homologués ny mari-pahaizana omen’ny sekoly iray dia midika izany fa eken’ny Fanjakana ireo mari-pahaizana ireo. Raha hoe agréée indray ny sekoly dia eken’ny minisitera misahana ny asam-panjakana ny fisiany. Ireo aloha no teny fampiasa amin’izao fa ny ankoatra ireo dia mety ho fisintonana mpianatra fotsiny ihany.
Aiza ho aiza ny ady amin’ny mpiasam-panjakana matoatoa?Atao hoe mpiasam-panjakana matoatoa ny mpiasa mbola velona fa tsy miasa kanefa mandray karama sy ny olona efa maty kanefa mbola mandeha ihany ny karamany any amin’ny banky satria tsy nisy fampilazana ohatra. Manao ny fanadiovana izahay izao. Efa mandeha ny fanisana ny mpiasampanjakana. Rehefa vita izany dia hojerena izay tsy manara-dalàna. Vola be no lany amin’ireo mpiasa matoatoa ireo. Ilana fiaraha-miasa eo amin’ ny minisitera misahana ny asampanjakana sy ny minisiteran’ny fitantanambola ny ady amin’ny mpiasa matoatoa.
Ahoana ny momba ireo Malagasy miasa any ivelany ? Maro no tsy miverina rehefa misy hetsika entina hamerenana azy ireo aty an-tanindrazana, nahoana ?Efa tambazotra lehibe ny fanerana olona eto Madagasikara ary any amin’ny sehatra tsy an-drafitra no misy azy. Vola be no mihodina ao. Efa niara-nidina teny Analakely tamin’Itompokovavy Nadine Ramaroson aho nijery ifotony ireny mpanera ireny. Ny tsy fisian’ny asa eto Madagasikara no anton’ny fiondranana any ivelany, hoy ny fanazavana tamin’izany. Ny fampihaonana ny mpanera Malagasy sy ny avy any amin’ireo firenena mpandray ny mpiasa no soso-kevitra naroso ary ny fanaovana fifanekena mihitsy mba ho fiarovana ny mpiasa sy ny mpampiasa.
Aiza ho aiza io fifanekena io amin’izao?Mpanera iray avy any Koweit tamin’ireo rehetra nafarana ihany no tonga teto. Nantsoina koa ireo teto an-toerana ka nampihaonana izy ireo ary nasaina nampifanaraka amin’ny fitsipika rehetra ny asany ary hanao ilay fifanekena iarahana. Novinavinaina ihany koa ny hisian’ny solontenan’ny minisitera any amin’ny tany mpampiantrano mba ho mpanara-maso, ka ny mpanafatra no miantoka ny trano sy ny karaman’ireo solontena ireo. Tsy mbola tanteraka izany hatreto.
Inona ny hafatrao ho an’ny mpiasampanjakana ?Tena mitotongana ny fomba fiasa. Aoka hiezaka ny mpiasam-panjakana rehetra hanao ny asany amin-kitsim-po ka hanaja ny lalam-pitondran-tena sy ny haiadidy (éthique et déontologie) ary hanaja ny tsiambaratelon’ny raharaham-panjakana. Mila atao ara-dalàna ny asa satria volambahoaka no hanakaramana antsika. Mila hajaina koa ny toeram-piasana fa tsy voatery hiandry tetibola fanampiny vao hanolo ny zavatra madinidinika ao am-piasana sy hanatsarana ny toeram-piasana.
-
Voasary Ravo RAONIZAFINARIVO
Judicaelle Saraléa
(Nalaina tao amin'ny Gazety Tahiry - Laharana manokana n 54)
Partager cet article sur :