SIG-OC any Boeny | Direction Générale du Trésor

METEO

Lu pour vous

SIG-OC any Boeny

Manampy betsaka ny mpandraharaha sy ny fanjakana

Tonga nitondra fanazavana momba ny SIG-OC, ny herinandro lasa teo, tany Mahajanga ny lehiben’ny sampandraharaha Fitantanambola ivelany, ao amin’ny ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola, Ramanambonona Ambinintsoa. Tanjona ny ahafahana manam-baovao eo anivon’ny biraom-panjakana, ny banky ary ny mpandraharaha tsirairay mifandray amin’ny fanjakana, indrindra afaka mahafantatra tsara amin’ny antsipiriany ny fandraharahana atao.